<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>647</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He ! sarotra ny lalam-
 pamonjena
 Hitanana ny vonjy izay
 nomena
 Hamelona hatrao am-parany
 Ny fitiavana voalohany.

[V2]
 Ny maro dia mazàna
 mankamamy
 Izao tontolo izao, ka mora lany
 Ny zotom-po sy finoana
 Dia tonga tia zava-poana.

[V3]
 Malaina izy ka tsy te-hiady
 Ny ady masina izay maro fady,
 Ny lalan-tery dia halany,
 Fa ny malalaka no tiany.

[V4]
 Mazàna mety menatra ireny
 Rehefa voatsindron-toriteny,
 Fa hitany ny ratsy ao am-po,
 Kanefa tsy mba te-hiova fo.

[V5]
 Ry Jeso, Hianao no tokin'aina,
 Izay novonoina sy
 nankahalaina,
 Omeo ahy faharetam-po,
 Hiaritra izay anjarako.

[V6]
 Raha reraka aho ka misalasala,
 Dia asehoinao, ry Ray malala,
 Ny lovako arý an-danitra
 Hihazona ahy mba haharitra.</lyrics>
<title>He! Sarotra ny lalam-pamonjena FFPM647</title>
</song>